Omaly tokony ho tamin’ny 12 ora latsaka kely, nisy lozam-pifamoivoizana nahafaty olona teny Anmbodimanga Analamahitsy. Lehilahy iray no maty tamin’io ora io. Nihoraka ny rehetra nahita ny fandehan’ny loza. Fiara kely iray avy any avaratra ho aty Andranobevava no hita nanitsaka « frein » somary nitarika lavidavitra vao tafajanona. Nifoaka olona teo afovoan’ny arabe izy io. Voalaza fa nandeha niampita lalana io olona io. Rehefa avy voadonan’ilay fiara kely izy dia nipitika ka lasa tao ambanina taxi-be iray nifanena ho any Analamahitsy. Tsy nanampo na inona na inona mihitsy ny mpimily ilay taxi-be ka ny olona niantsoantso no nampijanona azy. Nandeha mora izy, hoy ireo izay nahita, ny lalana amin’iny faritra iny rahateo somary mitohatohana. Efa notaritiny roa na telo metatra ilay voadona. Nifamonjena ny nisintona ilay lehilahy avy ao ambany fiara. Nisy ratra hita mivantana teny amin’ny faritry ny lohany ary nanomboka nivonto izany. Mafimafy ny dona nahazo azy, hoy hatrany ireo nahita. Nikoropaka ny rehetra nitady hevitra hitondrana azy any amin’ny trano fitsaboana. Toa fotoana vitsy ihany anefa dia nahatsapa ireo olona marobe fa efa nanary aina ilay niharan-doza kao dia ny any natao, niantso mpitandro filaminana. Nitohana tsy nisy ohatran’izany ny lalana Analamahitsy ary efa tany amin’ny 2 ora vao nisy naka teo ilay razana.
r.s.