Olona roa, lahy , no nosamborin’ny polisy avy ao Analamahitsy, ny 5 desambra lasa teo, teny an-toerana. Fantatra fa sady manambaka olona amin’ny filalaovana « mena mahazo » izy ireo no mangarom-paosy. Maro ny olona liana amin’ny zavatra ataony ary dia mitangorona maika hampitombo vola. Io zavatra io indrindra anefa no tena kendren’ireo mpanagarom-paosy. Rehefa betsaka ireo voarebireby ka mifanisika, amin’izay no raikitra ny harom-paosy. Kilalao voarara ny « mena mahazo ». Nahafantatra ny fisian’izany ny mpitandro filaminana ka tonga nizaha ny zava-nisy teo amin’ilay toerana. Re tamin’izany ny fimenomenonan’ny sasany ho very vola. Tamin’ny 12 ora no niseho ity zavatra ity. Ireo tonga nijery lanonana teny Antsonjobe no lasibatra. Nandeha ny famotorana ka fantatra fa avy eny Anosibe izy roalahy tratra ireo.
r.s.