Tao anatin’ny orana mikija sy ny fanambarana ofisialy, fa tsy tokony hisy hivoaka ny tranony intsony ny olona no mbola nisy nahavita nanao famakian-trano ihany. Tetsy Ambodivoanjo sy Analamahitsy, no nitrangan’izany ka trano telo samihafa no lasibatra. Voalohany dia fivarotan-tsakafo masaka izay efa nihidy no novakian’ireo olon-dratsy. Lasa tamin’izany ny vilany dimy. Nitohy tany Ivandry ny làlan’ireo ary orinasa iray teny an-toerana no novakiany. Bisikileta sy tohatra vita amin’ny « aluminum » miisa roa no lasa teo. Ny fahatelo farany dia teny Ambodivoanjo ary fivarotana enta-madinika iray no lasibatra. Teo am-pitaomana ireo entana izy ireo no nisy nahatsikaritra tampoka dia ny mpiambina izany. Raikitra ny fanenjehana. Navelan’ireo olon-dratsy teo an-toerana daholo ny entana izay avy nangalaran’ireo. Tao anatin’izay ihany koa nisy olona nahavita niantso pôlisy ; izay nidina teny an-toerana avy hatrany. Nandritra ny fisafoana nataon’ireo mpitandro ny filaminana no nifanena tampoka tamin’ireo olon-dratsy telo. Raikitra fanindroany indray ny fanenjehana. Ny roa no voasambotra raha tafaporitsaka ny iray. Samy niaiky ny heloka vitany avokoa ireo nandritra ny fanadihadiana, raha araka ny fanazavan’ny pôlisy. Natolotra ny fampanoavana omaly ary samy nidoboka am-ponja avokoa. Tsy andro, tsy alina, tsy andro tsara, tsy andro ratsy,dia tsy mifidy fotoana intsony izany ny jiolahy amin’ny fanaovana ny asaratsiny. Efa ao anatin’ny rivodoza mivatravatra mbola sahy nandroba ihany. Aorian’ny rivodoza koa dia mbola ahiana hitohy ny asan-jiolahy ary efa voaporofo matetika izany isaky ny misy ny loza voajanahary toy izao. Tsy manam-bola izy ireo ary mandroba etsy sy eroa. Mila mailo hatrany.
D.R