Hanjakan’ny mpanendaka ny faritra rehetra eto an-drenivohitra. Tamin’ny faran’ny herinandro teo, nanao hetsika ny polisy avy eny Analamahitsy ka mpanendaka miisa valo, dimy lahy sy telo vavy, no indray nosamborina teny amin’iny faritra iny. Indroa miantaona ny fisamborana. Ny zoma dia efa nisy voatana, ary ny ambiny dia ny sabotsy no nalaina tany amin’ny toerana nisy azy. Malaza ratsy amin’ny asa fanendahana eny Analamahitsy akaikin’ny “bassin” sy ny lalam-baovao mandeha eny Andrononobe ireto olona ireto. Tamin’ny zoma ary dia nisy olona voaendaka telefaonina sy poaketra teny an-toerana. Hitan’ilay olona anefa ilay nanendaka azy na dia efa nisolo akanjo aza, ary tadidiny tsara tokoa. Tsy niandry ela izy fa lasa nampandre ny polisy avy hatrany. Nanomboka tamin’io fotoana io ny fisamborana. Tao anatin’ny volana vitsy, manjary misy ireny mpanao sinto-mahery ireny iny lalana iny. Lasibatra ny mpandeha anaty taxi-be tsy mihidy fitaratra. Ireo vehivay voasambotra koa dia nolazain’ny vaovao fa mpanafina ny halatra azo ary mpanome vaovao an’ireo mpanendaka namany. Tsy vitan’izay fa izy ireo ihany koa no mitondra ny akanjo hosoloin’ireo lehilahy mpanendaka raha vao avy manao izany izy ireo. Anio no hiatrika ny Fampanoavana ireo olona ireo.
r.s.