Sahala ny faritra maro eto an-drenivohitra, anjakan’ny mpisam ny tanàna. Tsy mpanendaka ihany fa ao dia ao ny mpandroba mitam-basy.
Omaly tamin’ny iray ora, vehivavy karana iray no sendra mpanendaka teny Analamahitsy. Avy hatrany dia nosintonin’ilay bandy ny kitapon’ilay vehivavy. Lasa nandositra izy avy eo. Tsy lasa lavitra anefa tamin’izany fandosirana izany satria latsaka tao anaty lavaka. Dia variana ny olona nahita azy teo. Tapaka ny tongony ary sy afaka nihetsika izy. Nanatona azy mora ilay karana vavy naka ny sakaosiny. Ny mponina kosa, tetsy andaniny raha vao nahalala fa mpanendaka ny anao lahy dia samy nanala ny fony teo. Samy nahatsiaro ilay fanafihana ny “perception”. Voadaroka tsy nisy ohatran’izany ity mpisam ity. Nivonto ny masony, nandeha rà ny orony ary nisy ratra ny lohany. Nisy olona niantso ny polisy teny an-toerana fa raha tsy izany angamba dia maty teo ity mpanendaka ity.
Ny vaovao re teny an-toerana ihany no nahafantarana fa eny Ambohitrakely ity mpandendaka iny no monina. Eny amin’iny faritra Analamahitsy iny anefa no tena fanaovany asa ratsiny. Mbola tena tanora tokoa, satria vao 19 taona monja. Tamin’ny fotoana namonjen’ny polisy azy tsy ho matin’ny olona dia nibaradaka ny anao lahy, hoy hatrany ny vaovao. Tsy vao izao izy no nanao ny asa ratsiny teny an-toerana fa efa fotoana elaela ihany. Sendra ny tsy nampoiziny anefa izay latsaka tanaty lavaka io.
r.s.