- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Mpitandro filaminana roalahy tratra nivarotra basy

Analamahitsy : Mpitandro filaminana roalahy tratra nivarotra basy

basyNahazo vaovao ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-8 Analamahitsy, fa misy olona mikasa hivarotra basy. Rehefa nandeha ny fanadihadiana ary natao ny vela-padrika, dia tratra teny Ankadimbahoaka ny olona roa voalaza fa samy mpitandro filaminana avokoa. Basy marika PATT iray io nitadiavana mpividy io. Rehefa nandeha ny famotorana dia niaiky izy roalahy, araka ny vaovao nampitain’ny polisy, fa tena nivarotra basy tokoa izy ireo. 1,8 tapitrisa ariary no vidin’ilay basy. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa mpitandro filaminana ihany koa ny tompon’ny basy hamidy, ireo roalahy mpivarotra fotsiny ihany. Tamin’ny sabotsy lasa teo no natolotra ny fitsarana izy ireo ary nalefa vonjimaika eny am-ponja ny iray.

nangonin’I r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser