Omaly, no natolotra ny Fampanoavana ireo mpiasa roalahy tao amin’ny Galana tetsy Analamahitsy, voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy nandroba ity toby fivarotan-dasantsy ity. Araka ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana, dia nampidirina am-ponja vonjimaika izy ireo. Ny iray, pompiste ao amin’ity fivarotan-dasantsy ity, nalefa eny Tsiafahy, ilay faharoa kosa, mpandray vola ao amin’ny tsena dia nampidirina eny Antanimora. Ny alatsinainy 12 oktôbra lasa teo no nisian’ity fandrobana an’ity fivarotan-dasantsy ity. Angamba tsy nampoizin’ireo olon-dratsy ny fisiana “camera de surveillance” teo amin’ity toerana ity, fa dia hita soa aman-tsara avokoa ny tarehin’ireo olon-dratsy, ny fihetsiky ny tsirairay, na ireo mpanafika izany na ireo ireo mpiasa nandritra izany fotoana izany. Tamin’izany no nitsimponan’ireo pôlisy fotsiny ireto mpiasa ireto. “Nandray an-tànana ny raharaha ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy, ka fantatra fa niray tsikombakomba tamin’ireto mpandroba ireto ny pompiste iray sy mpandray vola izay niaiky izany tamin’ny fanadihadiana” hoy ny fampitam-baovao avy tamin’ny pôlisy. Mbola tsy hita kosa ireo tena mpandroba roalahy; izay nanjavona niaraka tamin’ny vola 50 tapitrisa ariary azon’izy ireo nandritra io fanafihana io.
m.L