- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Rangahy nandoko trano, maty nianjera nasolifatry ny tohatra

Analamahitsy : Rangahy nandoko trano, maty nianjera nasolifatry ny tohatra

Rangahy iray mpikarama mandoko no namoy ny ainy rehefa nianjera avy teny ambony tohatra, ny alarobia lasa teo, teny amin’iny faritra Analamahitsy iny. Araka ny fantatra, dia tany amin’ny rihana fahatelo izy no nianjera ka nahatonga izao famoizany ny ainy izao. Ny lohany no nandeha aloha, ary notsenain’ny tokotany vita simenitra taty ambany. Nijininika ny rà, vaky tanteraka ny karandohany ary nahitana fahatapahana maromaro ihany koa tany amin’ny vatany tany. Araka ny voalaza etsy ambony, dia mpandoko no asan’ity rangahy ity. Somary avo ihany ilay trano nolokoina ka nampiasa tohatra izy. Irony karazana tohatra vita amin’ny « aluminium » irony no nampiasainy. Tsy fantatra mazava araka izany na ratsy toerana ilay tohatra na nalama. Nony tonga teny  haavon’ny rihana fahatelo mantsy ny tenany, dia nisolifatra ary izao niakarapoka izao, niaraka tamin’ny fitoeran-doko. Niezaka namonjy azy avy hatrany ireo namany nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Maro ireo ratra nahazo azy, ka na niezaka sy nanao izay vitany aza ireo mpitsabo dia indrisy fa tsy avotra intsony ny tenany, fotoana vitsy monja taorian’ny nahatongavany teny amin’ny hôpitaly. Efa nomena ny fianakaviana  ny razana amin’izao fotoana, rehefa avy notsirihana tao amin’ny tranom-paty.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici