- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy Tanjombato : Mpifoka sy mpivarotra rongony telo voasambotra

Analamahitsy Tanjombato : Mpifoka sy mpivarotra rongony telo voasambotra

Fotoana elaela izay no nahavita ezaka ny polisy misahana ny ady amin’ny fianahan’ny zava mahadomelina eto amintsika. Fantatra izao fa olona telo indray no tratra. Ny roa teny Saropody Tanjombato, tao amin’ny toerana antsoin-dry zareo hoe “ghetto”. Tratra teo am-pifohana rongony izy ireo. Rehefa nanontaniana ry zalahy dia nanondro olona iray mpamatsy azy. Io farany io mbola karohina amin’izao fotoana izao. Ny olona fahatelo dia vehivavy monina eny Analamahitsy “carrier”. Ny alarobia tamin’ny 10 ora maraina izy no nosamborina teny an-toerana. Manamarika ny mpitandro filaminana fa  efa nigadra tamin’ny asa fivarotana rongony izay io.

Omaly ireo olona telo ireo no natolotra ny Fampanoavana.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser