- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Taxi-brousse tapaka « frein » fiara efatra voadona

Analamahitsy : Taxi-brousse tapaka « frein » fiara efatra voadona

Fiara eo amin’ny efatra no indray nahasimbana teny Analamahitsy, omaly maraina, vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teny an-toerana. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso dia niditra ilay lalana teritery manitsy eo amin’ny elakela-pasana ity taxi-brousse ity. Tsy nihinana intsony anefa ny « frein » ary dia nofahoany ny fiara rehetra teo alohany. Nisy nifatratra tany amin’ny mpivarotra teo amoron-dalana teo. Rehefa nojerena dia bebe ny fahasimbana tamin’ity loza ity. Ankoatra izany, nisy ankizy vavy iray naratra vokatr’izany.Efa nahazo fitsaboana izy ka voalaza fa tsy misy atahorana ny aminy. Ny voavao re teny an-toerana no nahafantarana fa vokatry ny fitohanan’ny lalana dia nandeha nanitsy ity fiara nitondra olona ity. Toerana tsy dia ahafahana mandeha mafy ilay lalana nefa na izany aza dia voalazan’ireo nanatri-maso fa mafy ihany ny fifandonana. Ny lalana rahateo ratsy, koa na dia mora ihany aza ny fandeha dia indraindray atsipin’ilay faharatsian’ny lalana ny fiara.

Fa mbola omaly ihany saingy teny Ambatobe, fiara mpitatitra iray ihany koa no nifatratra tany amina tranon’olona. Ny fahasimbana ihany koa no tena betsaka tamin’ity loza ity. Vao maraina be no niseho ity lozam-pifamoivoizana ity. Izany hoe fiara handeha hiasa io nanitsy tany amin’ny trano io.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser