Zatra ny làlan-dririnina ! Mpamily taxi-be iray niaraka tamin’ny mpanampy azy no voatery nentina nohadihadiana teny anivon’ny biraon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo, etsy Analamahitsy, omaly. Ambonin’ny tsy fanarahan-dalàna mahakasika ny fepetra manokana entina hiadiana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19, dia mbola nikasa ny hanao kolikoly tamin’ireo polisy nisakana azy ireo koa mantsy izy roa lahy ireto, omaly. “Tratra tsy nanao Aron-tava ny mpandeha 01 teo akaikin’ny resevera ka notambazan’ny mpamily sy resevera vola ny polisy mba hamela azy ireo handeha” hoy ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny polisim-pirenana. “Hentitra ny Polisin’ny boriborintany fahavalo manoloana ny fampiharana ny fanajana ny lalàna hiarovana ny ain’ny olom-pirenena ka nentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisaria ilay mpamily sy ny mpanampy azy atao fanadihadiana raha toa ka nampidirina « fourrière » kosa ilay taxibe”. Marihana, fa raha ny teny anivon’ity kaomisaria ity manokana dia taxi-be telo no voatery nampidirina am-balam-pamonjana noho izay tsy fanajana ny fepetra napetraka izay. Nahatratra 58 kosa ny isan’ireo olona nasaina nanao asa ho an’ny tombontsoan’ny daholobe, tratra tsy nitondra aron-tava, raha ny omaly manokana.
Nangonin’i m.L