- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Tra-tehaky ny pôlisy Rasily, jiolahy rain-dahiny mpampihorohoro

Analamahitsy : Tra-tehaky ny pôlisy Rasily, jiolahy rain-dahiny mpampihorohoro

Ela nitoratorahana ity lehilahy iray, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rasily, eny amin’iny faritra Analamahitsy iny. Mpampihorohoro ary isan’ny voarohirohy ho tompon’antoka amin’ireo fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana ny lehilahy. Voasambotry ny pôlisy ny voalohandohan’ny herinandro teo. Araka ny fantatra hatrany dia teny Manjakaray no tra-tehaka ity lehilahy ity. Efa ela no narahi-maso ny fihetsiny ary saika ny fitorian’ireo olona maromaro lasibatry ny fanendahana eny amin’iny faritra iny, dia saika manondro ity lehilahy ity avokoa. Tsy vitan’ny resaka fanendahana sy ny fanafihana anefa fa tsy miafina mihitsy  Rasily eny an-toerana, ny amin’izay maha-jiolahy azy izay fa mbola mampihorohoro ireo mponina. “Satria raha vao miditra ao anaty bar izy ka te hisotro zava-pisotro, mitrerona ary manome avy hatrany ny mpivarotra”  hoy ny vaovao. Ambonin’izay rehetra izany, voalaza ihany koa fa isan’ireo nandray anjara tamina fanafihana mitam-piadiana ka nahafatesana olona teny amin’iny faritra Manjakaray, volana vitsivitsy lasa izay ity ranamana ity. Marihiana hoy hatrany ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy fa efa nigadra noho ny resaka vono olona Rasily saingy dia mbola io miverina amin’ny asa ratsiny io, ary vao mainka nanangana andian-jiolahy mihitsy ny lehilahy. Fantatra fa isan’ireo karohina fatratra amin’izao fotoana izao ireto namany hafa ireto, izay raha ny fanazavàna azo dia “any amin’izy ireo ilay basy PA fampiasan’izy ireo amin’ny asa ratsiny”. Inoana araka izany fa mba hilamindamina indray aloha ny resaka fanendahana sy fanafiihana amin’iny faritra iny, indrindra fa ny eo amin’iny faritr’i Masay iny, izay isan’ireo mampikolay ireo mponina. Vao ny alarobia teo mantsy no nisy voambana basy sy voaendaka teny an-toerana. Isan’ny ahiana amin’izany ry Rasily ny namany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici