
Faty roa no hitan’ny olona teny an-toerana omaly. Ny iray vehivavy ary ny faharoa zaza kely eo amin’ny 5 volana eo
Omaly maraina be no nahitan’ny mpandalo fatim-behivavy iray teny Analamahitsy Carrière tsy lavitra ny fivarotana vato. Teo amin’ilay toerana fanipazan’ny olona fako misy fidinana be ary teo amina sisina tamboho tsy vita. Araka ny filazan’ireo izay nahita ny razana voalohany, nitanjaka ny tapany ambany ary norakofana tamina akanjoba ny lohany. Nafatotra tamin’ny tendany io akanjo io ary voalaza fa nanahirana mihitsy ny namaha an’izany satria nigeja mafy tokoa. Nihoson-drà koa io akanjo io izay miloko mavokely. Raha ny fahitana ny razana dia ankeviny nokendaina ilay izy. Teo koa ny nilaza fa naolana ity vehivavy ity ka rehefa vita izay nataon’izay nanao izany dia novonoiny. Mbola teny an-tongony ny kiraro nanaovany. Manao bango miolankolana sahala amin’ny rasta izy. Tsy fantatra marina ny fotoana nahatonga ny razana teo amin’ilay toerana. Faran’izay mangina ilay faritra indrindra raha vao maizina ny andro. Tsy misy mpandalo intsony ary ny mpanao hitsin-dalana no mandeha eny amin’ny antoandro.
Nirohotra nijery akaiky teny ny manodidina ary nilaza fa tsy misy mahafantatra azy. Mbola hita teny aminy kosa ny kara-panondrony. 30 taona ity olona maty ity ary avy any Fianarantsoa no fiaviany.
Fa mbola teny Analamahitsy ihany, saingy taty akaikin’i Nanisana no nahitan’ny olona fatin-jazakely vao teraka. Samy taitra avokoa ny rehetra nahita ilay izy efa notaritarihin’ny alika. Tsy fantatra aloha na taiza no nisy nanary io razana kely io.
r.s.