Ny alin’ny alahady teo, vehivavy iray avy niasa no niharan’ny fanendahana sy ny fanolanana teny Analamahitsy. Efa tena alina tokoa tamin’izay. Ireo mpiambina eny amin’ny manodidina no nahita an’ity vehivavy zara raha mitafy akanjo manify sy nintatarany ny zavatra nahazo azy. Lasan’ireo bandy avokoa ny zavatra rehetra eny aminy, poketra, firavaka ary ny vola sy fitafiany. Ankoatra izany, nilaza tamin’ireo olona sendra azy izy fa naolan’ireto bandy.
Avy niasa ohatra ny mahazatra azy ity ramatoa ity ary naterin’ny fiaran’ny orinasa. Alina be no nisehoan’
izany. Tsy vao sambany anefa izany fa isaky ny miasa izy. Tsy fantatra na efa nisy nahamarika izany na ahoana fa rehefa avy napetraky ny fiara iombonana mpanatitra fiara izy ary handeha haka taxi hanatitra azy eny Ankadikely no sendra telolahy. Ny filazany no nahalalana fa lasan’ireo bandy avokoa ny zavatara teny aminy : poketra, finday, vola ary fiaravaka volamena. Tsy vitan’izany fa nentin-dry zalahy tao anaty maizina izy ary dia niharan’ny fametavetana tao. Mangina tokoa ilay toerana raha vao ankoatra ny amin’ny 9 ora alina. Tsy misy mpandalo. Ny fiara mampiasa ny lalana mandalo dia tsy mahita izay any anaty maizina any.
Ireo mpiambina eny amin’ny manodidina no nitantaran’ity vehivavy ity ny zavatra nahazo azy. Tamin’izany no nahafantaran’izy ireo fa nirava niasa izy, naterin’ny fiara teo amin’ilay toerana ary haka taxi tsy lavitra, eo hody any Ankadikely. Zara fa nitafy akanjo manify izy tamin’izany, hoy ny filazan’ireo nanampy azy. Fiara maromaro no niangaviana hitondra ary farany nisy ny nanaiky ny hanatitra azy.
Tsy mifaditrovana ny mpanendaka sy mpandroba amin’izao fotoana izao fa mahita faisana avokoa izay sendra an-dry zalahy. Ny vehivavy no lasibatra voalohany. Ny sabotsy lasa nisy ny voavetaveta teny Ambohimangakely. Ny alahady, nisy niharan’ny herisetra ny teny Analamahitsy. Santionany ihany ireo fa maro ny vehivavy mizaka ny tsy eran’ny ainy amin’ny hafitsoky ny jiolahy.
r.s.