Manodidina ny tamin’ny 11 ora antoandro, omaly. Sahirana ny kortezy izay nitondra ny Filoham-pirenena raha nandalo teo Analamahitsy. Tsy vitan’izany aza fa voatery nijanona mihitsy ary niandry ny hadalan’ny mpamily iray. Toy izao ny zava-niseho, nisy mpivarotra mpamongady teo amin’ilay toerana. Tonga nandalo teo ny mpanatitra entana amin’io toeram-pivarotana io. Nifanandrify tamin’izay koa ny fandalovan’ny Filoha teo Analamahitsy. Teo indrindra no nitranga ny olana. Na dia efa nampandre tamin’ny alalan’ny kiririoka aza ny moto mpisava lalana izay roa karazany, dia mbola notohizan’ilay mpamily ihany ny lalany. Ny tao an-tsainy dia ny hampiditra ilay fiara ao anatin’ny tokotanin’ilay trano fivarotana. Izany hoe tsy maintsy miampita ny arabe izany aloha ilay fiarany (kamiao) izay vao tafiditra ao. Teo indrindra no tsy miandry ny sitrapony izany ny rehetra, satria tapaka mihitsy ny lalana. Indrindra koa, voatery nahodinkodina indroa na intelo ny fiarany izay somary lehibe amin’ny maha-mpitatitra entana azy, izay vao tafiditra tsara tao amin’ilay tokotany. Nisy ampahany tamin’ny mpitandro ny filaminana miandraikitra ny fiambenana ny Filoha no avy hatrany dia nijanona teo an-toerana raha nanohy ny diany kosa ny ambiny. Nentina teny amin’ny kaomisaria foibe teny Tsaralalàna ilay mpamily nanao hadisoana ary nohenoina. Afaka namonjy ny fodiany ihany izy, satria raha ny tsilian-tsofina re dia tsy dia tian’ny Filoha loatra ny hampananosarotra ny raharaha fa fampitandremana azy kosa no natao. Na izany aza, endrika iray izay manaporofo ity nitranga omaly ity, fa tena mikorontana tanteraka ny fifamoivoizana eto An-drenivohitr’i Madagasikara. Misy ihany ny ezaka isan-karazany amin’ny fikaroham-bahaolana, saingy tsy mbola mahafa-po sy mbola lavitr’ezaka ny ho vokany. Betsaka ny miandrandra ankehitriny ny fanaovana fotodrafitrasa toa ny lalana ambonin’ny tany sy ny tetezana, indrindra ho an’ireo faritra tena mikatso toa ny fivoahana ny RN1 na koa Itaosy ; izay tena sempotra ary efa an-taonany maro. Ny tsapa kosa anefa, dia toa tsy mba mizotra mankany amin’ny fampiasana teknolojia mihitsy ny vahaolana ; izay saintsainina ankehitriny. Inona ny tokony ho sakana amin’ny fampiasana ny jiro maroloko izay maneran-tany dia manampy hatrany amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana ? Misy ny fepetra tsotsotra izay tokony horaisina avy hatrany…
D.R