Tonga nijery ny zava-nisy tany analamalotra mihintsy ny governora ny alarobia teo, noho ny fihetsehana nataon’ireo marary tsaboina any an-toerana nitokona omaly. Henjakenjana ihany ny zava-nisy nandritra izany, nefa nilamina ihany izany no niafarany raha nahazo ny fanazavana avy amin’ny tompon’andrikaitra ireo marary mitaraina nandritra ity hetsika nataon’ny marary tsaboina tsy misy soritr’aretina eny Analamalotra ity. Ny takian’ireto marary tsaboina tsy misy sotrar’aretina eny analamalotra dia tsotra, ny hamaliana ny fitiliana atao amin’izy ireo isan’andro eny an-toerana; satria tsy famaliana izany dia fanaovana tsinotsinona azy ireo amin’ny fahasalamany. Izay no nahatonga ny depiote Roland Ratsiraka izay tonga teny an-toerana mihintsy nijery ny zava-nisy ihany koa, nilaza fa tsy azo ekena izany ka mila ampiasaina ireo “laboratoire mobile” eto Toamasina hisahana izany, ka ao anatin’ny 24ora dia mivaly ny valiny andrasana amin’izay. Ny governora kosa nilaza fa tsy maintsy jerena akaiky izany satria tsy izahay aty ny mandidy izany fa ny ao Antananarivo, ka mila ampitoviana aloha ny tadin-dokanga amin’ireo avy ao Antananarivo mikasika izany. Ankoatra izany dia nihetsika koa ny tao amin’ny CRJS ny alarobia io ihany, ka nandritra izany dia efa vonona izy ireo ny hitondra ny entany hodiny fa tsy mety mivaly ny fitiliana mamaritra ny fahasitran’ireo marary. Mitaraina mikasika izany ireo marary tsaboina ao amin’ny CRJS nitafa tamin’ny mpanao gazety. Ny teny amin’ny foyer social Canada ihany koa dia nanao toy izany fa leo miandry ny fitiliana farany ahafahana’izy ireo mody izay tsy mety mivaly hatramin’izao. Tsotra ny an’i Roland Ratsiraka mikasika izany, fa tsy mila alefa any Antananarivo intsony ny fitiliana satria efa misy “laboratoire mobile” manao izany eto ka maninona raha atao eto izany dia vita.
Malala Didier