- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalamanga : Bizina rongony : Mpivarotra tratra tetsy Ambohimangakely

Analamanga : Bizina rongony : Mpivarotra tratra tetsy Ambohimangakely

Ao anatin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina hatrany dia nisy ny vokatra azon’ny teo anivon’ny tobim-paritra Ambohimangakely, omaly. Tovolahy iray, izay fantatra fa isan’ireo mpivarotra rongony malaza ratsy eny amin’iny faritra iny sy ny manodidina iny no voapaingotr’ireo zandary, ny alatsinainy mitatavononana teo. Nandritry ny paikady nataon’ireto mpitandro filaminana ka nametrahana zandary nanao fanamiana sivily teny amin’iny faritra manodidina no nahafahana nisambotra ity mpivarotra rongony ity, teo Ambohimitsara, Ambohimangakely.  « Nandritra ny fisamborana azy dia nahatratrarana baomba miisa 37 sy « papier ronono » na « papier vrai » tany aminy »  hoy ny vaovao azo. 35 taona ny lehilahy tamin’izao tratra izao, ary monina ao Amparibe, fokontany Andranonomby, kaominina Ambohimalaza, kanefa dia tonga any Ambohimangakely, manao ity bizina rongony ity. Nosamborina ary notanana natao andrimaso avy hatrany moa ingahirainy, raha nogiazana kosa ireo ambina « entana » tany aminy. « Nosokafana ny fanadihadiana mahakasika azy, hoy ny vaovao, ary atolotra ny fitsaràna ambaratonga voalohany ny raharaha aorian’ny fakàna ambany ny voarohirohy »

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici