Tanana zatra mitsotra hoy ny ntaolo, tsy afa-mivonkona intsony, tena izay mihntsy ireto roalahy voasabotra tao Mananara avaratra, tao amin’ilay Tanana hoe “Analampontsy”. Tratra ambodiomby mihintsy izy roa lahy mpamaky magazay jirofo ireto, ka noraisim-potsiny teo ampangalarana. Voalaza fa henona’ilay tompon’ny magazay izy roalahy ka nanantsoany fokonolona, satria ilay mpiambina ny magazay raha teo no nahita azy roalahy. Tsy afa-niala izy roalahy fa be noho ny vitsy ka noraisinam-potsiny teo. Tratra tamin’izy roalahy ireto ny fitaovana samt hafa fampiasa amin’ny famakiana ny varavaran’ny trano sy magazay. Vao ny volana desambra teo mantsy dia magazay iray no vaky, very tamin’izany ny jirofo 10 kitapo, ary nanjavona ireo mpamaky ity magazay. Mandeha ny fanadiadiana mikasika azy roalahy tratra namaky magazay na jirofo, entina amantarana izay mpaniraka azy ireo satria tsara be ny jirofo tamin’ity taona ity, ary mbola tsara be ihany koa ny vidiny, izay no mahatonga ny halatra jirofo toa izao any an-toerana. Tsy maintsy hizaka izay ho vokany ireo olona voatondro mpividy jirofo halatra, raha fantatra ireo mpanao izany, hoy ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana. Efa tena mandeha moa ny famotorana, ka ny herinandro vaovao ity no entina any Maroantsetra hiatrika ny fampanoavana izy roa lahy ireo.
Malala Didier



