- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversANALANJIROFO - Antanambe Mananara Avaratra : Afak’olana amin’ny resaka herinaratra

ANALANJIROFOAntanambe Mananara Avaratra : Afak’olana amin’ny resaka herinaratra

Ny Goverinora nandritra ny fitsidihana ilay toerana mpamokatra jiro vaovao.

Misia ny mazava ! Tanteraka any amin’ny kaominina ambanivohitr’Antanambe, any amin’iny distrikan’i Mananara Avaratra iny ny Velirano faharoan’ny Filoham-pirenena, ny amin’ny hisitrahan’ny rehetra famatsiana herinaratra. Notokanana ny herinandro lasa teo mantsy ny milina mpamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina, amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro, izay manana tanjaka 175kw ary mamoaka 278,5 kva. Mahavita mamatsy tokantrano 604 ary olombelona 2942, raha toa ka 110 no efa mampiasa azy ity ankehitriny. Marihina fa fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny orinasa tsy miankina no nahafahana nisitraka izany jiro izany, tamin’ny alalan’ny orinasa « We-light ». Tonga nitokana izany fotodrafitrasa tany an-toerana izany, ny Goverinoran’ny faritra Analanjirofo, Dr Randriamanantena Marcellin. Hanamora ny andavanandron’ny mponina ary hampihena betsaka ny lafiny tsy fandriam-pahalemana izao fahatongavan’ny fahazavana any an-toerana izao, hoy izy, nandritra ny fandraisany fitenanana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici