Ny alatsinainy lasa teo no notokonana tamin’ny fomba ofisialy ny trano vaovao misy ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Indostria Analanjirofo, ao Fenoarivo Atsinanana. Tonga nanome voninahitra izany lanonan-dehibe izany ny goverinoran’ny faritra, ny Dokotera Marcellin Randriamanantena, niaraka tamin’ireo solontenam-panjakana tany an-toerana sy ny solontena avy aty amin’ny Ministera foibe. Nahazo fitaovana fanaovana fanandramana « huile essentielle » ihany ity fitaleavam-paritra ity ary milina vaovao fanamainana voankazo. Marihina fa distrika roa ao anatin’ny faritra no misitraka ity milina ity, dia ny ao Fenoarivo Atsinanana sy ny any Soanierana Ivongo. Tanjona moa, araka ny fanazavana azo, ny hahafahana mitahiry maharitra ireo vokatra sy hahafahana mamadika azy ho vola ihany koa.
Ankoatra ireo lanonana fitokanana sy ny fanolorana fitaovana dia tafapetraka tamin’io alatsinainy io ihany koa ireo mpikambana 20, handrafitra ny antenimieran’ny varotra ao Analanjirofo. Tamin’ny fomba mangaraharaha no nahavoafidy azy ireo, hoy ny nambaran-dRamatoa Talem-paritry ny varotra. « Heverina fa hitondra fandrosoana lehibe ho an’ireo tantsaha sy ireo mpandraharaha ny fahazoana ireo milina ireo ary indrindra ny fanaraha-maso ataon’ireto mpikambana maharitra vao napetraka ireto », hoy fanazavana azo.
m.L