Fanohanana ireo kaominina ao anatin’ny Faritra amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitr’asa : toha-drano, Rano fisotro Madio ary ny Jiro fanazava ny tanana ary indrindra ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana ; fifanakalozana ara-barotra, ara-tsosialy sy ara-ekonomika ary ny sehatra fizahantany ary fanamafisana fahaiza-manao toy ny fiofanana sy fikarohana amin’ny Oniversite roa tonta dia ny ao Analanjirofo sy any Casablanca Settat. Ireo no laha-dinika natao nandritry ny fihaonana mivantana nataon’Atoa Governoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randrimanantena Marcellin, niaraka tamin’ny Filohan’ny faritra Casablanca Settat, Atoa Abdellatif M. nandritry ny fivahinany tany an-toerana, tao an-toerana. Ny Governora, raha ny fanazavana azo, dia anisan’ireo tao anatin’ny delegasiona manokana nentin’Atoa Filoham-pirenena Andry Rajoelina, namonjy ny andiany fahatelo tamin’ny Choiseul Africa Businesss Forum, izay natao tao Casablanca Maroc, ny herinandro lasa teo. Fihaonana an-tampony, niarahan’ireo mpandraharaha eoropeana sy afrikana, izay mikambana eo anivon’ny Institut Choiseul. Marihana fa delegesiona marolafy amin’ny seha-pihariana samihafa no nentin’Atoa Filoham-pirenena tany an-toerana ary anisan’ny nisolo tena ny faritra niaviany, ho fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo samin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny Governoran’Analanjirofo. Noararaotina ihany koa izay fihaonana izay, nirosoana bebe kokoa, tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny faritra Casablanca, izay tsiahivina fa efa faritra mpiarahavavy amin’ny faritra Analanjirofo eto Madagasikara. “Mahavelombolo tokoa ny toa izao, indrindra fa ity fiarahana miasa amin’ny faritra Casablanca ity, hoy Atoa Governora, satria heverina fa hitondra fampandrosoana haingana ho an’ny faritra izany amin’ny lafiny rehetra, indrindra moa fa amin’ny lafiny ara-ekonomika”. Mino sy mahatoky ny tenany araka izany fa hisy ny fisokafan’ny lalam-barotra vaovao ho an’ireo vokatra fanondrana mampalaza an’Analanjirofo toy ny vokatra vanille, ny jirofo ary Litchis.
Nangonin’i m.L