- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversANALANJIROFO : Fampandrosoana : Mila tosika ara-bola ny faritra

ANALANJIROFO : Fampandrosoana : Mila tosika ara-bola ny faritra

Anisan’ireo faritra ahitana distrika betsaka raha iny faritra Analanjirofo iny. Miisa enina ireo distrika mandrafitra izany dia Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Soanierana Ivongo, Mananara Avaratra, Maroantsetra ary Sainte Marie. Mitovy tsy misy valaka amin’ireo faritra tsy misy afa-tsy distrika telo anefa ny fanampiana omen’ny Fanjakana azy ireo ary manampy trotraka izany, dia mbola misy « subvention » tsy tonga any amin’izy ireo, araka ny nambaran’i Dr Randriamanantena Marcellin, governoran’ny Faritra. Na izany na tsy izany aza anefa, hoy izy dia miezaka miasa izahay, hanatratra ny tanjon’ny Filoham-pirenena, hanantanterahana ireo velirano 13 napetrany ary handrindra ny asa fampandrosoana, araka ny teniny hoe « tsy misy distrika ho adino intsony ».

Afaka iray volana eo dia ho feno roa taona ny nametrahana ity governoran’ny Faritra Analanjirofo ity. Tao anatin’izay anefa dia azo lazaina fa saika tanteraka avokoa ireo asa fampandrosoana nankinina taminy, eny fa na dia eo aza izay olana ara-bola izay. «  misy ny fanaovana rarivato ireo lalana hita fa tena ratsy, izay mirefy 6800m eo ary ny 4000 no efa vita raha eo an-dalam-panamboarana ny ambiny. Samy nahazo izany avokoa ireo distrika enina. Ny fampiasana ireo « engin » nomen’ny Filoha, izay isaorana azy, dia nahavitana lalana 96 km, izay nampifandray kaominina maromaro. Teo ihany koa ny fanamboarana fotodrafitrasa maro toy ny tetezana am-polony sy ny « bloc sanitaire » ary ny toha-drano. Ny fanampiana ireo vondron’olona isan-karazany, ny fanomezana tosika ho an’ireo kaominina, ny fanavaozana ny biraon’ny Faritra sy ny karaman’ny mpiasa ao aminy, izay marihina fa nisy fotoana talohan’ny nahatongavanay dia nisy karama tsy voaloa ». Etsy andanin’izany, nisy ny famolavolana ny drafitr’asa entina hampandrosoana ny faritra Analanjirofo na ny PERA, izay efa eo an-dalam-pamitana izy io. Marihina, hoy ity tompon’andraikitra ity fa anisan’ny nanampy betsaka ny teti-bolan’ny faritra manokana, nentina nanaovana izany asa rehetra izany. Asa fampandrosoana, izay manampy ihany koa ireo efa ataon’ny Fanjakana any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici