- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversANALANJIROFO - Fandrakofana ala an'i Madagasikara : Hazo fihinam-boa sy jirofo 10.000...

ANALANJIROFO – Fandrakofana ala an’i Madagasikara : Hazo fihinam-boa sy jirofo 10.000 fototra novolena tao Vavatenina

Izay mamboly hazo manome aina, izay mamboly hazo mamelona an’i Madagasikara

Notanterahina ny zoma 17  lasa teo ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo 2023 ato anatin’ny Faritra Analajirofo. Tao Nosibe, Tobim-pileovan’ny miaramila 315,  Vavatenina no nanatanterahana izany. Velaran-tany 7,5 Ha no novolena ireo zanakazo ala, Hazo fihinam-boa ary jirofo miisa 10 000 fototra eo ho eo. Raha ny fanazavana azo dia velaran-tany 2 900 Ha moa no fanamby horakofana ala aty Analajirofo amin’ ity taom-pambolen-kazo 2023 ity. « Izay mamboly hazo manome aina, izay mamboly hazo mamelona an’i Madagasikara ». Io no teny filamatra nandritra ity lanonana fanokafana ity izay notarihin’Atoa Dr Marcellin Randriamanantena, Goverinoran’ny Faritra ary nahitana ireo olom-boafidy tao Vavatenina sy Soanierana Ivongo, ary ireo tompon’andraikitra isanisany teo anivon’ny Faritra sy ny Prefektiora ary ireo manampahefana sivily sy miaramila. Olona aman’arivony no tonga namaly ihany koa ny antsoa ary nanantateraka ny adidiny, izay nahitana fikambanana maro avy any an-toerana.

Nohararaotina tamin’ity lanonana ity ihany koa ny fanolorana fanampiana sy fampitaovana ny haino aman-jery anakiroa tsy miankina tao Fenearivo Atsinanana. Fitaovana fanamasim-peo izany natao mba hanamora ny fitaizana sy filazam-baovao amin’ny vahoaka manoloana ny rivo-doza izay mateti-piavy sy fanentanana ho amin’ny fitandroana sy fanatsarana ny tontolo iainana amin’ny ankabobeny

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici