- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnalanjirofo - Fizahan-tany sy fotodrafitrasa : Nahazo tombon-dahiny manokana Ste Marie

Analanjirofo – Fizahan-tany sy fotodrafitrasa : Nahazo tombon-dahiny manokana Ste Marie

Fararanon-danonana tokoa ny tao amin’ny Nosy Ste Marie, faritra Analanjirofo ny faran’ny herinandro lasa teo. Ankoatry ny fitsidihan’ny Filoham-pirenena tany an-toerana, nitokana ireo fotodrafitrasa marobe mantsy dia niavaka ihany koa ny fetin’ny “zagnaharibe” na ny “Baleine” tamin’ity taona ity. Niavaka satria dia tonga nijery izany nivantana ny Filoham-pirenana Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny Governoran’ny faritra, ny Dr Randrimanantena Marcellin, niaraka tamin’ireo olo-manan-kaja maro tonga tany an-toerana. Mahaliana tokoa ny fahitana ireto trozona ireto ary harena sarobidy sy tombony ho an’ny Faritra Analanjirofo indrindra i Sainte Marie ny fisian’izany. Mpizahantany maro, avy eto an-toerana sy avy any ivelany no efa any an-toerana sy mbola handrasana noho izany. Marihana fa manomboka ny volana Jona ka hatramin’ny Septambra eo no hamangian’ireto trozona ireto ny fari-dranomasin’i Ste Marie, ary tamin’ity taona ity dia nahatratra an’arivony any ho any izy ireo no tonga.

Manara-penitra. Fa ankoatr’izay fetin’ny “baleine” izay dia fotodrafitrasa marobe ihany koa no natsangana tany an-toerana, ho fanantanterahana ireo velirano napetraky ny Filoham-pirenana. Tao anatin’izany ny trano manara-penitra, hisy ny biraon’ny filaminam-bahoaka, ny Lapan’ny Fitsaràna vaovao, ary ny Tranoben’ny Fizahantany, izay niaraka tamin’ireo lalana navaozina sy nasiana rarivato. Ny Filoham-pirenena mihitsy moa no tonga nitokana izany tany an-toerana. Nanotrona azy ireo mpikambana maromaro teo anivon’ny Governemanta, ireo Governora telo miralahy ao anatin’ny faritanin’i Toamasina dia Analanjirofo, Atsinanana ary Alaotra Mangoro, niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny tany an-toerana. Faly tokoa ny vahoakan’ny Sainte Marie. Nandray fitenanana nisolo tena azy ireo moa ny Governoran’Analanjirofo, izay tsy nitsahatra nisaotra ny Filoham-pirenana, noho izao fotodrafitrasa manara-penitra hisatrahan’izy ireo izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici