- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalanjirofo : Foto-drafitrasa maro notokanan’ny Filoham-pirenena

Analanjirofo : Foto-drafitrasa maro notokanan’ny Filoham-pirenena

Tsy hisy intsony ny distrika hadino ! Fiteny mahazatra an’Atoa Filoham-pirenena izy io. Ary dia tanteraka tokoa izany nandritra ny roa andro nitsidihany an’i Maroantsetra sy Mananara Avaratra, satria dia azo lazaina fa nanana tombon-dahiny manokana ireto distrika roa ao anatin’ny faritra Analanjirofo ireto. Maro dia maro ireo foto-drafitrasa notokanan’ny Filoham-pirenena nandritra io fitsidihany io ary nanehoan’ireo vahoaka ny hafaliany sy nisaoran’Atoa Randriamanantena Marcellin, Goverinoran’ny faritra azy manokana.

Nanombohana ny fitsidihana ny fametrahana ny vato fehizoron’ny kinja manarapenitra tao Anjahana ao amin’ny distrikan’i Maroantsetra.  Eo amin’ny lafiny ara-toe-karena dia orinasa maromaro no notolorana fahazoan-dalana na « agrément » ho amin’iny taom-pamokarana lavanila iny. Izany fahazoan-dalana izany dia izay nohalalahana tanteraka. Amin’ny lafin’ny jono, notokanana nandritra io fandalovan’ny Filoha io ny biraon’ny Jono sy ny toekarena manga any an-toerana, narahana fanolorana sambo, ho entina hisafoana sy hiarovana ny sisin-dranomasina any Analanjirofo. Eo amin’ny lafin’ny fahasalam-bahoaka, nahazo CSB II manarapenitra ny tao Soanierana Maroantsetra. Tsy hadino ny lafin’ny fanabeazana, izay nitokanan’ny Filoha, ny Epp manarapenitra ao Ankadiandrefana. Nojerena manokana ihany koa ireo mpampianatra Fram, izay nanolorana azy ireo taratasy fifanaraham-piaramiasa, ho voaray mpiasam-panjakana raikitra. Nomena bicyclette ihany koa ireo mpampianatra sy mpianatra mendrika.

Ny tao Mananara Avaratra kosa, hahazo hôpitaly manarapenitra ihany koa ireo mponina. Napetraka tamin’io fotoana io mantsy ny vato fehizoron’izany foto-drafitrasa izany. Momba ny fiahiana ara-tsosialy, nisy ny fitokanana ny biraon’ny faripiadidian’ny mponina tany an-toerana, narahana fanomezana « fauteuil roulant » ho an’ireo sembana ara-batana 10 mianadahy. Eo amin’ny resaka lalana, namafisina ny fanatanterahana ny lalana mampitohy an’ny Analanjirofo sy ny Faritra Sava na ny « Route de Soleil ». Natomboka ihany koa ny fanamboarana ny tetezana ao Saharamy. « Pont Bailey » izay haharitra 90 andro ny fandrafetana azy. Hanala fahasahiranana lehibe ny fahavitan’ity tetezana ity indrindra ny fampiroboroana ara-toekarena avy amin’ireo kaominina maromaro ampifandraisiny, toy ny kaominina Antanananivo – Sandrakatsy- Ambatoarahana sy ireo manodidina.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici