- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnalanjirofo : Karatany 2000 isa nomena ireo mponina

Analanjirofo : Karatany 2000 isa nomena ireo mponina

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana any amin’iny faritra Analanjirofo iny, hitondràna vahaolana amin’ny resaka tany any amin’iny faritra Analanjirofo iny. Ny alahady lasa teo, karatany miisa 2000 indray no nozaraina tao an-drenivohitry ny Faritra tao. « Isan’ny mbola manjaka be aty Analanjirofo ny resaka ady tany, Izay mameno ny 80 isan- jaton’ny raharaha ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Fenoarivo atsinanana. Miezaka ny mitondra vahaolana ho amin’ny fanalefahana izany ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fanampiana ny vahoaka hanoratra ny taniny amin’ny anarany » hoy ny fanazavana azo. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ity lanonana fizaràna karatany ity ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Nanatrika ny lanonana ihany koa ny Goverinoran’ny faritra Dr Marcellin Randriamanantena, niaraka tamin’ireo olom-boafidy sy ny ireo olom-boantendry isan’ambaratongany tany an-toerana. Marihana fa tsy mijanona hatreo amin’ireo roa arivo isa nozaraina ireo moa izany fanolorana karatany izany fa mbola hitohy hatrany, hiarahana amin’ny ministera tompon’andraikitra sy ny ireo mpiara-miombon’antoka aminy, hoy hatrany ny vaovao. Ho an’ireo olona te hisitraka izany karatany izany dia nanentana ireo tompon’andraikitra any an-toerana ny mba hanatona avy hatrany ireo biraon’ny fananan-tany akaiky azy indrindra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici