- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnalanjirofo : Nisokatra ny taom-piotazana jirofo

Analanjirofo : Nisokatra ny taom-piotazana jirofo

Ny governoran’analanjirofo, nitarika ny fiotazana ny jirofo tany an-toerana.

80 isan-jaton’ireo mponina any amin’iny faritra Analanjirofo iny dia saika mivelona amin’ny fambolena jirofo avokoa. Nisokatra ny alarobia lasa teo ny taom-piotazana izany jirofo izany, tamin’ity taona ity, any amin’iny faritra iny. Tao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanifotsy, ao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo, no nanokafana izany tamin’ny fomba ofisialy tamin’io andro io. Tonga nanantanteraka izany moa ny governoran’ny faritra Dr Marcellin Randriamanantena, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy, ary notronin’ny Lehiben’ny distrikan’i Soanierana Ivongo. Azo lazaina fa tsara fanombohana ity taom-piotazana ity, hoy ny fanazavana azo. Satria raha ny fantatra dia nanomboka tamin’ny vidiny roa alina ariary eo ho eo ny vidin’ny iray kilao amin’ity vokatra fanondrana ity. « Heverina fa mbola hiakatra hatrany izy io » hoy hatrany ny fanazavana azo. Tamin’io fotoana io moa dia nanararaotra nanome toromarika ho an’ireo tantsaha ny governora. Velombolo tanteraka ireo vahoaka ary naneho fankasitrahana ny fitondram-panjakana ny ben’ny tanànan’Antanifotsy. Nirary ihany koa ny tenany ary nangataka ny mba hitazomana hatrany io vidin’ny jirofo io.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici