
Tsy nasiana fanavahana fa notolorana mari-pankasitrahana avokoa ireo mpianatra sangany sy nahazo naoty tsara indrindra tamin’ny fanadinana bakalorea farany teo, manerana ireo distrika enina mandrafitra ny faritra Analanjirofo. Lanonana izay natao teo an-drenivohitry ny faritra, ny alatsinainy teo. Nijoro ho raiamandreny tokoa teto ny Dr Randrimanantena Marcellin, Governoran’ny faritra, nampirisika hatrany ireto tanora ho avin’ny faritra ireto. Miainga avy amin’ny tanora tokoa ny fampandrosoana azy ireo ho reharehan’ny faritra niaviany any aoriana any. Nomena vola efatra hetsy ariary moa izay mpianatra tena tsara naoty indrindra tamin’izy ireo, tamin’izay fanadinam-panjakana izay ary telo hetsy ariary kosa ho an’ireo sasany. Izany dia niampy fitaovam-pianarana sy marika fankasitrahana avy amin’ny faritra. Ny hampandroso an’Analanjirofo no tanjona ary fampirisihana ireo tanora, indrindra indrindra fa ireo mpianatra no antony voalohany nanosika ny Faritra hanome ireto mari-pahankasitrahana ireto. Nisy moa ny fitsofan-drano ireto mpianatra mendrika ireto, nataon’Atoa Governora sy ny lehiben’ny fileovana Fenoarivo Atsinanana, izay tonga nanatrika izany lanonana izany.
m.L