- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAnalanjirofo: “operation” lavanilina : Olona enina voasambotra, zandary mbola am-perinasa ny roa

Analanjirofo: “operation” lavanilina : Olona enina voasambotra, zandary mbola am-perinasa ny roa

Henjana ny fahorian’ireo mpandraharaha sy tantsaha mivelona amin’ny lavanilina ao Analanjirofo amin’ny tsy filaminana ataon’ireo andian-jiolahy. Efa mananika ny 150.000 ariary ny iray kilao amin’ny lavanilina maitso amin’izao. Midika izany fa ho avo telo na efatra henin’izany ireo lavanilina masaka.

Vokatr’izay dia isan’ny baiko nomen’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena mitarika ny Emmo-Nat, namory ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana teto Toamasina farany teo, ny fametrahana filaminana amin’ireo mpandraharaha sy mpanangom-bokatra ary tantsaha amin’izao fotoam-piotazana sy fanondranana lavanilina izao. Noho izay baiko nidina izay dia nihetsika nanao ny “operation” lavanilina ny komity misahana izany ao Analanjirofo, izay nahitan’izy ireo vokatra sahady ka nahasamborana olona enina, izay zandary mbola am-perinasa ao Fenerivo atsinanana ny roa, no saron’izy ireo tamin’izany. Voalaza fa isan’ireo andian’olona tsy mitondra filaminana amin’ireo mpandraharaha sy mpanangom-bokatra ary tantsaha any an-toerana izy ireo. Araka ny loharanom-baovao koa dia mbola misy mpandraharaha iray hafa mbola karohana, saingy afa-nitsoaka ity farany nandritra ny fanaovana ilay “operation”.

Samy mandalo famotorana eo anivon’ny mpanao fanadihadiana heloka be vava ao amin’ny zandary nanomboka ny zoma teo ireto olona ireto, ka isan’izany ireo zandary roa, araka ny nambaran’ny komandim-paritan’ny zandary eto Toamasina izay mbola mamita iraka tamin’ny fanangonam-baovao natao. Raha ny fandaharam-potoana izany dia mety anio no hiakatra fampanovana ity raharaha lavanilina ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici