- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAnalanjirofo : Taolan-dava 107 namidy 600.000 ariary

Analanjirofo : Taolan-dava 107 namidy 600.000 ariary

Araka ny vaovao azon’ny polisy ny FIP Toamasina, dia nanao ny fanaraha-maso ny lalam-pirenena sy tonga tany Ampasibe Onibe izy ireo nitady ireto voalaza fa mpangalatra taolam-paty. Tao anatin’izany dia tratra am-bodiomby niaraka tamin’ny vata roa nisy taolam-paty izay saika taolan-dava mbola vao avokoa izy ireo izay 107 teo ny isany.

Ingahy Rakotoarivelo 28 taona mponina ao Antenina sy ingahy Pascal Pasy mponina ao Sahateza Raimbato, izay samy ao amin’ny kaominin’Ampasimbe Onibe izy ireto. Nokasaina hamidy teto Toamasina araka ny hiraka nampanaovin’izany ingahy “Milive” avy any Ambovombe monina ao Mangarano Stadium ihany izy ity, ka mitetina 600.000 ariary ny kilao saika nivarotana azy tamin’izao halatra taolam-paty izao. Araka ny fanazavan’i Rakotoarivelo sy Pascal Pasy hatrany dia tsy izy ireo no namaky ny fasana tamin’ny fangalarana ireto taolambalo ireto, fa mbola nanarama olona ihany koa, ka ny fivarotana ilay taolan-dava vao misy ny fandoavam-bola, izay hoe saika fasan-drazan’ireo nirahina ireto taolam-paty tratra ireto, izay tsy mbola fantatra iza marina ireto fianakaviana tratran’ny vaky fasana ireto. Eo am-pikarohana ireo naman’izy roa tratra ireto ny polisy amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay, dia nomarihan’ny komandan’ny FIP Toamasina, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, fa tsy hanaiky lembenana amin’ny fanasoketana azy sy ny polisy ary ny olom-panjakana eto Toamasina, ataon’ingahy Rico sy Tojo Rakotonirina amin’ny alalan-ny tamban-jotra “facebook” amin’ny fanelezana vaovao tsy marina.

Efa mandeha ny fikarohana sy ny fanadiadiana ka tsy ho ela dia hisy ny vokatra, satria efa eto Toamasina ireo mpitandro filaminana mahay manokana mikasika ny “cyber-criminalite”. Mbola nomarihany ihany koa fa vonona hatrany ny polisy eto Toamasina hiaro ny vahoaka sy ny fananany, na eo aza ny fanaratsiana sy ny fanasoketana mahazo azy ireo isan’andro…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici