Azo lazaina fa anisan’ny faritra mena tamin’ny resaka tsy fandriampahalemana, indrindra fa amin’ny resaka halatra lavanila na fiotazana lavanila manta raha iny faritra Analanjirofo iny teo aloha teo. Amin’izao anefa dia azo lazaina fa nihena tanteraka izany, indrindra fa tao anatin’ny roa taona, izay nandraisan’ny Dr Randriamanantena Marcellin, ny fitantanana izany faritra izany. « Laharam-pahamehana amiko ny fametrahana ny fandriampahalemana, hahafahan’ny vahoaka mivelatra sy mandroso sy hanantanterahana ny velirano voalohan’ny Filoham-pirenena » hoy izy. Hita taratra tokoa moa izany fihenenan’izay asa ratsy ataon’ireo tsy valahara izay tany an-toerana, indrindra fa tao amin’ny distrikan’i Vavatenina sy Fenoarivo Atsinanana. « Raha tany aloha dia anjatony mahery any ho any isan-taona tany ho any ny tranga hita, amin’izao fotoana izao kosa dia tsy misy afa-tsy ampolony vitsivitsy sisa, indrindra fa tato anatin’ny roa taona izay. Ary amin’ireo tranga ireo dia tsy handeferana velively na iza na iza, izay tompon’antoka fa efa samy nibaby ny zava-dratsy nataony avokoa ». Matoa nisy vokatra tahak’izao dia nisy ny paikady matotra napetraky ny mpitantana ny faritra entina hiadiana amin’izay resaka tsy fandriampahalemana izay, dia ny drafitrasa ifotony ho an’ny fandriampahalemana (Plan local de sécurité), izay hifandrimbonan’ny Faritra, ny mpitandro filaminana ary ireo vondron’olona ifotony, toy ny « quartier mobile » sy ny andrimasom-pokonolona. Nitetezana kaominina sy fokontany maromaro mihitsy moa ny fametrahana izany paik’ady izany. Marihana fa hisokatra amin’ny 7 jolay ho avy izao any an-toerana ny fotoam-piotazana lavanila ho an’iny faritra Analanjirofo iny.
m.L