Vaovao mampalahelo no tonga taty am-pototsofin’ilay fikambanana mpanao asa soa miahy azy efatra mirahavavy any Analavory. Noroahina tao amin’ny tranona relijiozy izay nipetrahany ireto ankizy ireto. Tsy nahita aleha intsony ary dia namoy tanteraka ny fianarana fa niverina any ambanivohitra. Raha ny fantatra dia tamin’ny alatsinainy teo no nitranga ity zavatra mampalahelo ity. Voalazan’ilay fikambanana miahy azy efatra mirahavavy ireto fa efa voaloa sy vita lamina avokoa ny mombamomba ny fipetrahan’izy ireo ao amin’ity tranon-drelijiozy ity. Tsy nisy filazana anefa, tsy nisy fampandrenesana raha ny filazan’izy ireo hatrany kanefa dia izao no nitranga. Tonga avy nianatra ireto ankizy ireto, raha ny fitantaran’izy ireo no nahita ny entany efa nivoaka teny an-tokotany. Ankizy sahirana avy any ambanivohitra ireto ankizy ireo no niantohan’ity fikambanana ity, hianatra ao Analavory ary napetraka tao amina tranon-dry Masera. Tsy fantatra mazava anefa izay anton’ny fandroahana, raha ny voalazan’ilay fikambanana hatrany fa toa hoe misy disadisa izany eo amin’izy samy relijiozy, satria ankevitry ny ilain-dry Mompera ilay trano. Tsy maintsy miala sy tsy mahazo mipetraka ao intsony araka izany ireo ankizy enina, ny roa taizan’ireo masera ary ny efatra kosa iantohan’ilay fikambanana avy aty an-drenivohitra. Mitaraina sy malahelo ny amin’izany zavatra mitranga izany, ity fikambanana ity. Tsy resa-bola loatra, hoy hatrany ny filohany, fa ny mikasika ny hoavin’ireo ankizy mihitsy. Lavitra dia lavitra ny toeram-ponenany mantsy no misy ny fianarana, ka raha tsy azo antoka ny trano hipetrahana, inoana fa tsy hisy fanabeazana handeha amin’ny laoniny. Etsy an-danin’izay, tsy hahavita hanofa trano ho azy ireo ny ray aman-dreniny, noho ny fahasahiranana mianjady amin’izy ireo.
m.L