WordPress database error: [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f6534-1f03e.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f6534-1f03f.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`

Analavory : Dahalo raindahiny roa tra-tehaky ny zandary -
- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f6534-1f041.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_postmeta`

AccueilFaits-DiversAnalavory : Dahalo raindahiny roa tra-tehaky ny zandary

Analavory : Dahalo raindahiny roa tra-tehaky ny zandary

Efa maro ireo nitondra faisana, lasibatr’ireto roa lahy izay fantatra fa dahalo raindahiny any amin’iny distrikan’i Miarinarivo iny. Ela nitoratorahana anefa ry zalahy ireto ka voasambotra ihany ny herinandro teo. Teo amin’ny kizon’Antanetimboahangy, izay toerana fiafenan’ireo dahalo any an-toerana no tra-tehaky ny zandary izy ireo. Tsy afa-nanao n’inona n’inona intsony noho ny paik’ady matotra napetrak’ireo mpitandro filaminana. Izy ireo rahateo mbola variana nandroaka ireo omby vositra efatra izay vao nangalariny. Raha ny fampitam-baovao tokoa mantsy, dia nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany Ambatomenaloha, kaominina Analavory, iray andro talohan’ny nahatrarana azy ireo. Nirongo fitaovam-piadiana maromaro ireto olon-dratsy tamin’io fotoana io, nentiny nampitahorana ireo mponina. Rehefa nahazo antso ny zandary, dia niezaka namonjy ny toerana avy hatrany niaraka tamin’ny fokonolona. Fantatra ihany koa, fa tsy maintsy handalo tao amin’ilay toerana efa mahazatra fiafenan’ireo olon-dratsy  izy ireo ka efa nambenana mafy. « Noraisim-potsiny araka izany rehefa nandroaka ireo omby no sady tsy afaka nampiasa ny fitaovam-piadiana ( antsy lava sy lefona) teny amin’izy ireo » hoy ny vaovao. Niaiky tanteraka moa izy roa lahy ireto, fa izy ireo no isan’ireo nanafika tao Ambatomenaloha, ary efa nokasaina hamidy aty An-drenivohitra ireo omby avy nangalarina. Izy ireo ihany koa no saika tompon’antoka tamin’ireo fanafihana tanàna maromaro tany an-toerana. Omaly ireto dahalo roa lahy ireto no natolotra ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja vonjimaika. Ny zandary dia tsy mitsahatra ny manentana ny tsirairay amin’ny fanomezan-tànana azy ireo hahafahana mahazo vokatra toy izao. Inoana araka izany fa mba hilamindamina indray aloha iny faritra iny, amin’izao fahatrarana ireo olon-dratsy nampikaikaika ny mponina izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f6534-1f043.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`