- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnalavory : Difotry ny rano ny tanàna, an’arivony ireo traboina

Analavory : Difotry ny rano ny tanàna, an’arivony ireo traboina

Ny misasak’ alin’ny alatsinainy 10 febroary, tondraka ny reniranon’Imazy, ao avaratry ny tanànan’Analavory. Nanenika ny tanimbary aloha ny rano ary avy eo nanafotra ny tanàna, indrindra ny toerana iva.

Sambany no nisy izao zavatra izao tany an-toerana. Ny vaovao no nahalalana fa vokatry ny orana mikija ny tontolo andro ka nitohy mandraka alina no nahatonga izao zavatra izao. Tsy voatanan’ ny fefiloha intsony ny fitosaky ny rano ka izay no niteraka ny fahavakisana. Tonga dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny tsirairay nanoloana ny voina.

Hatramin’izao aloha dia olona iray no naratra nianjeran’ ny biriky ary efa nentina notsaboina teny amin’ ny hopitaly any Tsiroanomandidy. Ny mahavelom-bolo dia tsy nisy aloha ny aina nafoy fa dia  ny traboina kosa no tafakatra 1140, ny tsy manan-kialofana 1118 ary ny trano rava dia nahatratra 1O4 tafo.

Ireo tra-boina moa dia efa nalefa nialoka tao amin’ ny tranom-pokonolona Analavory sy ny tranon’ ny Commune any an-toerana.

Marihana fa tsy mbola nisy fiantraikany tety amin’ ny lalam-pirenena voalohany (RN1) aloha hatreto ny  fihoaran’ ny rano. Lakana moa no ampiasaina eny an-toerana amin’ izao hitaterana ireo izay dibo-drano sy tsy manan-kialofana mankeny an-tanety amin’ izay faritra tena mbola miaina ao anatin’ ny ton-dradrano be .

ALEM

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser