Nitrangana vaky fasana indray tao amin’ny kaominina Analavory, any amin’iny faritra Itasy iny, ny alatsinainy 8 jona lasa teo. Tamin’ny 4 ora hariva no nahita ny fianakaviana iray fa nisy namaky ny fasandrazan’izy ireo, tao amin’ny vohitra antsoina hoe Ambaniavaratra, fokontany Ambohitrantoandro, distrika Analavory. Rehefa izany dia nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ireo niharam-boina ka zandary avy ao amin’ny borigadin’Analavory no nidina teny an-toerana. Ny fitsirihana natao no nahitana fa notapahin’ireo olon-dratsy tamin’ny tsofa ny hidin’ny varavaram-pasana ka nahafahan’izy ireo niditra tao. Nangalarin’izy ireo tamin’izany ny taolan-davan’ireo razambe anankiroa. Rehefa nohamarinin’ny dokotera avy ao amin’ny CSBII any an-toerana moa izany, dia natolotra ny fianakaviana avy hatrany ny fikarakarana rehetra amin’ny fanidiana ny toerana. Marihina, fa somary lavitra ny tanàna ary mangina dia mangina ity toerana nitrangana vaky fasana ity ka heverina fa nanam-potoana betsaka tokoa ireo jiolahy ireo nanaovana ny asa ratsiny. Fa ny mahagaga ary mampanontany ny maro ny antony mahatonga ity resaka vaky fasana sy halatra taolambalo ity. Hatreto, misy ny voasambotra amin’ireo mpanao ratsy, saingy toa tsy hita hoe aiza no niafaran’izy ireny. Tsy vitan’izay, tsy mbola misy mihitsy fanazavana mazava momba izay mety ilana izany taolana izay. Ny loza dia matetika arina eny amin’ny toerana fanariana fako fotsiny izy ireny, toy izay hita vao tsy ela akory izay, tany Toamasina.
T.M.