Raha iny izy mivady handeha hamonjy ny fodiany iny no nosakananan’ireo olon-dratsy, ny harivan’ny talata lasa teo, tao Analavory. Nitifitra avy hatrany ireo jiolahy ary maty tsy tra-drano ilay rangahy.
Araka ny fampitam-baovao azo dia vola eo amin’ny dimy hetsy ariary eo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy tany amin’ireto mpivady ireto tamin’io hariva io. Mpivaro-kena ao Analavory no asan-drangahy ary manaraka azy amin’izany asa fivelomana izany ramatoa vadiny. Manodidina ny amin’ny enina ora hariva na mihoatra any ho any fanidiany tsena ary tokony ho amin’ny fito any ho any izy ireo no mamonjy fodiana. Teny an-dalana hamonjy ny tokantranony mihitsy izy ireo, raha iny nandeha cyclo-pousse iny, tamina lalan-kely iray mihazo ny tananany, no nosakanana efa-dahy. Basy fohy no teny an-tanan’izy ireo araka ny fampitam-baovao azo. Tsy nisy alaharo alaharo teo fa avy hatrany dia ny basy teny an-tanan’ireo olon-dratsy no nampiresahana. Bala roa no nandoaka ny vatan’ilay mpivaro-kena : ny iray teo amin’ny kibony ary ny iray teo amin’ny sofiny. Nandriaka ny rà. Nifandrombaka naka ny kitapo nisy ny vola maty nandritra ny andro ireo olon-dratsy nony avy eo ary lasa nitsoaka. Marihana, hoy ny vaovao, fa tsy nokasihan’izy ireo na dia singam-bolo aza ramatoa vadiny, izay nivarahontsana tanteraka teo anatrehan’ny tranga. Tetsy andanin’izay kosa, raha vao nahare ny poa-basy kosa ireo zandary tsy lavitra tany an-toerana dia nirohatra nanatona ny toerana niavin’izany, saingy efa nanjavona ireo mpanafika. Tamin’io fotoana io, dia mbola nisy aina ilay rangahy voatifitra, ary noezahina nentina tany amin’ny hôpitaly. Teny an-dalana anefa, noho ny habetsaky ny rà very dia namoy ny ainy ity farany. Efa mandeha moa amin’izao ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana miaraka amin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza
m.L