Nandriaka indray ny rà teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny, ny alarobia hariva lasa teo. « Scooter » iray notaingenan’olon-droa, ho any Analavory no nifandona tamina « taxi-brousse » iray handeha hiakatra. Vokany maty tsy tra-drano ireo roalahy nitondra ilay môtô. Naratra mafy vokatry ny fifandonana kosa ilay mpamilin’ilay fiara ary namoy ny ainy, nony tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana. Raha ny fampitam-baovao avy tamin’ny mpitandro ny filaminana , dia tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany teo no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana mahatisiravina ity, teny amin’ny tanàna antsoina hoe Mandrevo, kilaometatra vitsivitsy miala an’Analavory. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia samy nandeha mafy avokoa, na ilay « scooter », tetsy andaniny, na ilay fiara mpitatitra tetsy an-kilany. Ambonin’ny làlana malalaka no sady tsara anefa, dia maro fiolahana tsy ahitana izay ao aloha mihitsy ihany koa iny ampahan-dalana, Analavory – Miarinarivo iny. Tamin’ny iray tamin’ireo fiolahana mihitsy no nifanena tampoka ireto niharan-doza ireto. Samy tsy nisy nanampo na inona na inona ary samy tsy nisy nahafehy izay nentiny ihany koa. Tsy azo nihodiovirana araka izany ny fifandonana, izay mafy dia mafy tokoa, raha ny vaovao azo teny an-toerana. Nisavoana ambony ambany mihitsy ireo roalahy nitaingina ilay « scooter », raha nifatratra teny amin’ilay mpamily kosa ilay môtô nentin’izy ireo. Nihoron-koditra izay nahita ny fahavoazana. Nijininika ny rà. Nizarazara maromaro ny vatan’ireo roalahy, naratra mafy kosa ilay mpamily niantefan’ilay zavatra mavesatra niampy ny vakim-pitaratra. Raha ny loharanom-baovao azo hatrany, dia teo no ho eo ihany dia namoy ny ainy iretsy mpitaingina « môtô ». Noho ny habetsaky ny rà very, dia tsy tàna intsony ihany koa ny ain’ilay mpamily « taxi-brousse ». Noho ny hamafin’ny dona ihany koa, dia maromaro tamin’ireo mpandeha no naratra. Araka ny fampitam-baovao hatrany, dia « mecanicien » ireto tovolahy roa namoy ny ainy ireto. « Môtô » avy namboarina ny nentin’ny ankilany, « taxi-brousse » avy any Soavinandriana handeha hiakatra kosa ny andaniny. Na dia eo tokoa aza ny fisian’ny fampienana hafainganam-pandeha eny amin’iny lalam-pirenena voalohany, dia tsy mahasakana ireo mpamily sasantsany tsy handeha mafy amin’iny lalana iny mihitsy izany. Mila fiheverena haingana avy amin’ny tompon’andraikitra izany, satria dia ain’olona no lasa kilalao.
m.L