Olona telo avy niasa volamena tratran’ny rano trambo, maty tsy tra-drano ny iray. Ny sabotsy faha-30 Novambra taona 2024 lasa teo, tokony tamin’ny iray ora sy sasany tolakandro tany ho any, tao amin’ny reniranon’Anandronjia, any Mahatsinjo avaratra, kaominina Maevatanàna faharoa no nahitana olona telo tratran’ny ranotrambo. Raha ny fampitam-baovao voaray marim-pototra hatrany dia olona niisa telo avy niasa teny amin’ny toeram-pitrandrahana volamena no nanampikasana handeha handro teo amin’io renirano volaza etsy ambon’io. Tampoko teo anefa, dia nisasasasa ny rano trambo avy any ambony. Teo no lasan’ny rano izy ireo, ka avotra soa aman-tsara ihany ny roa tamin’ireo, raha maty teo no ho eo kosa ny vehivavy iray, fantatra amin’ny fiantso hoe: Rafenosoa Mahalala Faniah, teraky ny taona 16 May 2012 tao amin’ny fokontan’Antanambao. Nentina teny amin’ny hopitalibe Morafenokely eto Maevatanàna an-tampon-tanàna moa izy roa mbola velon’aina, ary ny nofo mangatsiakan’ny maty kosa efa nomena ny havany ao Antanambao.
Ratantely