Vao ny omalin’iny no nisy jiolahy nikasa hamaky trano teny amin’ny manodidina. Ny asabotsy teo tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, dia andia-jiolahy mirongo basy indray no nanafika mpivarotra am-bongadiny, teny Anatihazo Isotry. Raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana, dia nitondra môtô scooter izy ireo. Ka ny roa no niditra tao amin’ilay fivarotana ary ny roa lahy hafa niandriandry tety ivelany. Tsy fantatra mazava izay nitranga tao anatiny, fa ny feom-basy nipoaka no nanaitra ny manodidina. Araka ny fantatra hatrany dia tsy nisalasala ireto jiolahy nitifitra an’ity tompon-trano ity. Naratra teo amin’ny feny vokatr’izany tifitra izany ity lehilahy ity. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa vao tafiditra ireto jiolahy ireto, nanambana kalack an’ilay mpivarotra, avy hatrany dia vola no notakian’izy ireo. Tsy fantatra mazava hatreto izay zavaniseho, fa ankevitry ny nandà tsy nanome angamba ilay rangahy tompon-trano ka izany no nitifiran’ireo jiolahy azy. Azon’ireto olon-dratsy ny zavatra notadiaviny, avy hatrany dia nitsoaka izy ireo, niaraka tamin’ny vola rehetra tao anaty fitoeram-bola niampy taratasim-bola, raha ny vaovao voaray hatrany. Na dia fotoana fohy taty aoriana aza vao tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana dia efa nadio ny rano nitan’ireto olon-dratsy avy nanafika ireto. Nalefa avy hatrany eny amin’ny tobim-pitsaboana kosa ity mpivarotra naratra ity.
m.L