Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany omaly no nitranga ny fanafihana. Nisy rangahy nividy entana harivariva teo amin’ny mpivarotra « tuyauterie » iray teo Anatihazo Isotry. Efa vita avokoa ny ady varotra ary efa handoa ny vola ilay olona no nisy efa-dahy nipoitra tampoka ary nanambana basy azy. Nanao saron-tava izy ireo raha araka ny fanampim-baovao azo. Vola mitentina 2.4 tapitrisa ariary no lasa tao anatin’ny indray mipi-maso. Voadaroka tao anatin’izany ihany koa ny mpiambina akaiky ilay rangahy tompon’ny vola. Nitsoaka tamin’ny fiara 504 baché izay miteny vazaha ny laharany. Mazava ho azy fa tsy hisy fiara antitra mitovy amin’io intsony ka mitondra laharana vahiny, ny akaiky kokoa dia heverina fa novaina ny laharan’ny fiara mba hoentina hanafihana. Miloko « marron » io fiara io raha araka ny fanazavan’ny nahita. Ahoana ny fomba hamantaran’ny jiolahy fa nisy vola tany amin’ilay rangahy ? Eo no mipetraka ny fanontaniana. Ny azo eritreretina dia matoa nanao saron-tava ireo mpanafika dia misy olom-patatry ny olona hotafihana izay. Midika izany fa efa fantatr’izy ireo hatramin’ny voalohany ny anton-dian’ilay rangahy sy ny vola teny aminy. Lasa mateti-pitranga ny fanafihana izay toa mahatalanjona, satria voafehin’ny jiolahy tanteraka ny momba ilay olona hotafihany sy ny vola eny aminy. Mbola teo amin’iny boriborintany iny ihany koa mantsy no nisy ramatoa vao avy nivarotra vato kinanjo nisy nisakana teny an-dàlana tamin’ny fiara tsy mataho-dàlana ary nasaina namoaka ny vola tao anaty sakaosiny. Vola izay efa fantatry ny jiolahy amin’ny antsipiriany ny isany sy ny tetiny. Izany rehetra izany dia manaporofo fa misy olona mikarama amin’ny fanaraha-maso sy fijirihana fotsiny eto an-drenivohitra. Manao tambajotra izy ireo ary mifampizara vaovao faran’izay haingana. Misy ny mpijirika fotsiny ary misy ny mpanafika fotsiny…
D.R