Hain-trano mahatsiravina no nitranga tetsy Anatihazo Isotry, ny alin’ny alahady lasa teo. Namoizana ain’olona efatra be izao izany teny an-toerana. Renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany telo no fantatra fa maty tao anatin’izany, araka ny fanazavàna azo avy eo anivon’ny mpamonjy voina.
Tokony ho tamin’ny sivy ora alina latsaka tany ho any no nitranga ny loza, raha ny angom-baovao hatrany. Trano hazo izy io, ireny fivarotana harina fandrehitra ireny. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony tena nahatonga ny loza, hoy ny fanazavàna azo teo anivon’ireo mpamonjy voina. Tsy afaka hovinavinaina hoe vokatry ny herinaratra ilay izy, satria na ilay trano aza tsy tongan’izany akory. Azo heverina araka izany, fa mety ho vokatry ny afon-dabozia tao an-trano, naharay zavatra mora nirehitra no nahatonga ny loza.
Tokony ho tamin’ny sivy ora mahery fito minitra teo mantsy izy ireo no nahazo antso ny mpamonjy voina ary nidina avy hatrany teny an-toerana, niaraka tamin’ny fiarabe roa mpamono afo. Voalaza anefa fa efa maty ny afo tamin’izy ireo tonga teny. Ary ny filazan’ireo fokonolona niezaka nifehy ny afo tao no nahafantaran’izy ireo fa mbola nisy olona tavela tao ambanin’ireo tapa-porohana sy korontan-javatra may. Rehefa natao ny fisavàna dia vatana mangatsiakana efatra, ankizikely telo : zazalahy valo taona sy zazavavikely fito sy dimy taona ary renim-pianakavina iray 28 taona, izay heverina ho renin’izy ireo no hita. Efa may kila tanteraka. Araka ny loharanom-baovao hafa dia voalaza fa hoe eni-mianaka izy ireo no tao, saingy avotry ny fokonolona soa aman-tsara ny zaza roa, raha ireo voafandriky ny afo ireo ny ambiny. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy moa ny tompon’andraikitry ny filaminana ary nanokatra ny fanadihadiana mahakasika izany.
m.L