- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnatihazo Isotry :  Mpamaky trano voasambotra

Anatihazo Isotry :  Mpamaky trano voasambotra

Avy nanao ny asa ratsiny mihitsy ingahirainy no nifanena tamin’ireo mpanao fisafoana. Andro amin’ny telo ora maraina, milonjehitra entana anaty gony … Tsy afa-niala sy nandositra intsony rehetra tratry ny fisavàna ka niharihary teo ny zava-nafenina. Ny herinandro lasa teo, lehilahy iray no tra-tehaky ny pôlisy mpanao fisafoana teny amin’iny faritra Anatihazo Isotry iny, avy namaky trano. Nampangain’ny « entana » nentina rahateo rananamana, izay nisiana vilia sy vilany vao avy nangalariny tamina tokatrano iray teny an-toerana. Teo noho eo ihany dia nopaingorina ity mpamaky trano ity ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria, ho amin’ny famotorana. Natolotra ny Fampanoavana taorian’izay ary nadoboka am-ponja vonjimaika. Fotoana mampirongatra tanteraka ny resaka hala-botry, harom-paosy, fanendahana sy ny maro hafa izao ankatoky ny fety izao. Mila mailo dia mailo tokoa ny rehetra, indrindra fa eny amin’ireo toerana be olona, toy ny tsena sy any anaty fiara fitanteram-bahoaka any. Ireo mpitandro filaminana moa etsy andanin’izay dia manome toky fa manao ny ezaka rehetra hampandriana fahalemana ny faritra iadidian’izy ireo tsirairay avy. Ao anatin’izay ny fametrahana paik’ady toy ny fisafoana andro aman’alina ireny elakelan-trano fandehanan’ny jiolahy ireny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici