Tsy mifaditrovana, izay no azo ilazana ireto jiolahy roa voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny boriborintany fahefatra ireto, ny talata lasa teo. Sady jiolahy rain-dahiny amin’ny famakiana trano mantsy izy ireo no mbola mpanolana ihany koa. Tsy vitan’ny maka ireo entana sarobidy sy mitady vola ao amin’izay trano lasibatrany mantsy izy ireo, fa mbola mitily izay tovovavy sy ankizivavy ao an-trano ary mifandimby mitambatra amin’izany vehivavy izany, manatanteraka ny filan-dratsiny. Fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Ra-toky, ny lehiben’izy ireo. Araka ny fanazavana nomen’ireo pôlisy hatrany, dia telo lahy izy ireo no tena mpiaraka sy hita nihaodihaody teny amin’iny faritra Anatihazo Isotry iny. Mbola nahitana vilany sy karazan’entana avy nangalarina teny amin’izy ireo. Tamin’io fotoana io, tafatsoaka ny naman’izy ireo iray antsoina hoe Raolatra, izay mbola karohina hatramin’izao.
Maromaro ihany ireo olona no mahafantatra sy indray mitory ireto jiolahy rain-dahiny sy mpanolana ireto. Samy niharan’ny habibian’ireto olon-dratsy ireto avokoa ireto olona ireto. Ny iray nitranga ny alin’ny zoma 20 novambra teo, teny Andavamamba Anjezika. Ankoatra ny entana sy ny vola lasan’izy ireo, vehivavy roa no indray niharan’ny fanolanana faobe nataon’ireto olon-dratsy ireto. Ny iray tovovavy 23 taona sy ny zandriny vao 12 taona monja. Efatra izy ireo no indray nitambatra tamin’izy ireo, raha ny fanazavana azo hatrany. Ny tranga faharoa kosa, tamin’ny faran’ny volana septambra lasa teo, tompona « épicerie », vehivavy 38 taona indray kosa no nampiharan’ireto olon-dratsy ny filany, ambonin’ny entana norobaina. Izy rehetra ireto dia samy nahafantatra an-dry Toky sy ny namany. Ela nitoratorahana ry zalahy ireto, ka izao voasambotry ny pôlisy teny Isotry izao. Na izany na tsy izany, tsy mikely soroka ireto pôlisy avy ao amin’ny kaomisaria faha-4 izao, manohy ny fitadiavana ny namany hafa. Mbola tsy mitsahatra manentana ny olona ihany koa izy ireo hiantso avy hatrany ny laharana 034 05 998 34, raha misy tranga mampiahiahy.
m.L