dimanche, avril 27, 2025
AccueilFaits-DiversAndafiavaratra : Mpandraraka ody gasy voasambotra tao an-dapa

Andafiavaratra : Mpandraraka ody gasy voasambotra tao an-dapa

Ny vovon-javatra izay nararak’ilay ramatoa.

Toerana izay isan’ny narovana fatratra teto an-drenivohitra satria isan’ny hanatontosàna ny fandraisana ny Filoha frantsay mandritry ny dinika an-tampony eo amin’ny firenena roa tonta, mbola nisy olona hafahafa tafiditra ihany tao amin’ny lapan’Andafiavaratra. Manodidina ny tamin’ny 11 ora antoandro latsaka kely no nisy ramatoa efa lehibe izay nitsofoka. Nilaza izy fa tompon’andraikitry ny arofenitra ary dia afaka niditra. Mailo anefa ireo mpitandro ny filaminana ary nanohy nanara-maso. Teo am-pandrarahana vovon-javatra teo amin’ny sezan’ny Filoha no sarona ilay ramatoa izay nosamborina avy hatrany. Nosavaina tanteraka izy teo ary dia hita tao ireo vovoka hafahafa. Tsy nisy famantarana manokana koa teny amin’ity ramatoa 56 taona izay nentina avy hatrany any amin’ny biraon’ny zandary ao Fiadanana ary nanokafana fanadihadiana. Tamin’ny tambajotra sosialy omaly dia nisy nanamarika fa olona tsy salama saina izy ary tokony mbola mihidy any amin’ny toeram-pitsaboana natokana ho amin’izany. Na izany aza anefa dia mampiahiahy ihany satria maty paika ny tetika nentiny niditra tao an-dapa ary fotoana fohy sisa dia saika vitany izay nataony. Mampiahiahy koa ny amin’ilay vovoka tsy fantatra izay nararany, sao mahakasika famosaviana. Ny fanadihadiana izay efa mandeha ao Fiadanana no mety hitondra valim-panontaniana mahakasika ity ramatoa ity sy izay mety ho tanjony. Raha voaporofo fa lainga ny hoe marary saina dia ho mafimafy ny vesatra ara-pitsaràna afaka anenjehana ilay ramatoa. Isan’ny azo vinavinaina ny fikasàna hanapoizina, ny fitazomana ody gasy sy fampiasàna izany, ny fanohitohinana filaminana anatiny. Raha toa kosa ka tena marary saina dia mety ho tapitra hatreo ny fanenjehana satria ny lalàna dia tsy afaka manenjika ny olona tsy vory saina izay raisina ho toa ny tsy tompon’andraikitra amin’ny tenany sy ny ataony.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici