- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndagomiolana-Maevatanàna : Raikitra ny sakoroka, Zazafotsy iray sy Antandroy roa sy olona iray...

Andagomiolana-Maevatanàna : Raikitra ny sakoroka, Zazafotsy iray sy Antandroy roa sy olona iray hafa maty

Raikitra ny fifanolanana teo amin’ireo Zazafotsy mpiambina tanana sy ireo foko Antandroy, nandritra ny lanona fampisehoana antsikana nataony Ravao kininike tany amin’ny tanana antsoina hoe Andagomiolana, any amin’ny fokontan’Antsarabanja, any amin’ny kaominina Antsafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nisehon’izany ny Asabotsy lasa teo. Ny andro voalaza etsy ambony moa no nahazo fifampiraharahana fampisehoana ny mpanakanto « Ravao kininike, ka ny Zazafotsy telo lahy no tapaka fa niambina sy niantoka ny fandrindrana ny filaminana mandram-pahatapitry ny lanona. Raha ny angom-baovao voarainay hatrany dia nisy zanaka Antandroy nanao fihetsika fanakorontanana nandritra izany ka tsikaritr’ireto Zazafotsy mpiambina, ary voatery nosamborina sy nofatorana tady. Nahita izany ireo Antadroy mpiray foko aminy ka nihazakazaka hanala ny fatorana. Tsy voatana ireto farany ka raikitra ny sakoroka teo amin’ny roa tonta tao anatin’ny ambiansy  tanteraka i »Ravao kininike. Vokany : Zazafotsy iray sy Antandroy roa miampy olon-kafa iray no maty tsy tra-drano tao anatiny fifandonana amin’ny alalany daroka sy kapa famaky ary antsy lava. Nirohitra nandositra ny olona mpijery ny lanonana no sady niantso mpitandro ny filaminana amin’ny kilaometatra lavitra. Rehefa nahazo antso ny mpitandro ny filaminana dia naravona ny korontana teo amin’ny Zazafotsy sy foko Antandroy. Nomena ny havany ireo razana taorian’izay. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia efa nisy fifamaliana teo aloha ireo foko Antandroy sy ny Zazafotsy any an-toerana. Mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ny Zandary manoloana izao tragan-javatra mampalahelo izao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici