Fifamaliana matetika teo anivon’ny tokantrano ka niafara tamin’ny tsindrona antsy nony farany. Tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambalambato-Andapa no nitranga izany. Notsatohan-drangahy antsy ny vadiny ary maty tsy tsa-drano. Sendra nandalo tao an-tranony ihany koa ny zaodahiny ary raha nahita an’izany dia saika hiady taminy, saingy ny an’ilay rangahy no tonga aloha. Roa izany no maty teo voafira antsy. Nitsoaka tany anaty ala indray rangahy ary voatery niditra an-tsehatra tamin’ny fikarohana azy ny olona maro, niaraka tamin’ny zandary. Roa andro taty aoriana vao hita izy ary mbola nanan-kevitra ny nitsoaka ihany teo anoloan’ny zandary. Voatery notifirina ary izy naratra iny no nentina niakatra ny tanàna. Herisetra avy hatrany no nanjo azy raha vao hitan’ny havan’ny maty. Tsy tàna intsony ireo olona ka samy nidaroka teo. Nizara roa hatramin’ny lohan’ilay rangahy. Raha ny fantatra dia hipoky ny hafaliana ireo olona ary namono omby mihitsy aza, noho ny fahafatesan’ilay nahavanon-doza. Nitombo iray indray ny isan’ny fitsaram-bahoaka…
r.s.