- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAndapa : Mikarama mihaza mpamosavy ireo tanora voan’ny ambalavelona

Andapa : Mikarama mihaza mpamosavy ireo tanora voan’ny ambalavelona

Raha hiverenana kely ny mahakasika ity resaka ambalavelona tany an-toerana ity, dia efa nanomboka ny 8 martsa lasa teo. Tanora roa no niantombohany ary nihanitombo ny isan’izy ireo, raha ny filazan’ny ben’ny tanàna ao amin’ity kaominina ity. Ireo tanora tratran’ity aretina ity dia tsy toy ireo olona fantatra fa voan’ny ambalavelona fa lasa manana hery hafahafa ary milaza fa mahay mitady ireo olona mpilalao ody ratsy na mpamosavy eo amin’ny tanàna misy azy. Ireo olona voatondron’izy ireo dia avoakan’izy ireo ho hitan’ny rehetra ary hampiharan’izy ireo herisetra. Matetika dia milanja kibay sy zava-maranitra izy ireo rehefa manao io hetsika io, izay sokajian’izy hoe ho “fanadiovana” ny tanàna, ary amin’ny alina ihany no hanaovan’izy ireo izany. Taty aoriana dia tsapan’ireo mponina lalovan’ireto olona voan’ny ambalavelona ireto fa nihanilamindamina tamin’ny resaka mpamosavy tokoa ny tanàna misy azy ireo ka lasa maro ny nankasitraka ny nataony. Misy tanora sasany aza te-ho voa toy ny mahazo azy ireo mihitsy. Fantatra ihany koa mantsy fa misy resa-bola ao anatiny. Misy ireo fokonolona sasantsany te “hanadio” ny tanàna misy azy, ary miantso ireto tanora voan’ny ambalavelona ireto. Manodidina ny iray tapitrisa ariary mahery any ho any ny vidin’izany ary toa hoe efa nahangona hatrany amin’ny 12 tapitrisa ariary ireto tanora ireto. Raha tao amin’ity tanànan’Ambodidivaina ity dia vao afakomaly ireo andian’olona ireto no nahasambotra olona voalaza fa mpamosavy. Voalaza fa nampijalijalian’ireto “mpanadio” ity farany ka namoy ny ainy. Antony nidiran’ireo mpitandro filaminana an-tsehatra. Tetsy an-danin’izay anefa misy ny milaza fa nasaina nihinana ny odiny ity farany ary maty vokatr’izay. Izay toe-javatra izay, araka izany, no niandanian’ireo fokonolona amin’ireto andian-tanorana ipetrahan’ny njarinintsy ireto ka nahatonga ilay sakoroka.

  1. L
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici