- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndapa : Mpanolana mpianatra voasambotry ny olona

Andapa : Mpanolana mpianatra voasambotry ny olona

Tsy niandry fotoana ny polisy tamin’ny fanokafana fanadihadiana, raha vantany vao voasambotra ilay lehilahy. Ny anton’izany dia noho ny hatezeram-bahoaka izay nitaky, satria lasa zary fomba fanao, ny fitsaram-bahoaka. Toy izao ny zava-nitranga: nisy tovovavy iray mbola mpianatra. Nandrasan’ilay lehilahy tamin’ny làlana nizorany andavanandro izy io. Nodarohany ary ny tena fikasany dia ny hanatontosa ny filan-dratsiny amin’io vehivavy io. Soa fa mba nisy nahita ny zava-nitranga ary ireo no nampandre ny mpitandro ny filaminana. Haingana ihany ireo farany dia tonga saingy kosa mandra-pigadony teny an-toerana dia efa saika matin’ny olona izay efa nentin-katezerana ilay mpanolana. Mba nampitoniana ny vahoaka dia faran’izay haingana no notontosaina ny fihainoana ny nahavanon-doza. Vita izay dia naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany izy. Eto amintsika dia matetika lasa ny mpitandro ny filaminana indray no mizaka ny hatezeran’ny olona rehefa mitazona ny olon-dratsy toy ireny, indrindra fa ireo mpanolana sy ireo hafa izay sokajiana fa nanota fady. Ny anton’izany dia mbola raiki-tapisaka ao anatin’ny toerana sasany ny fomba tany amin’ny fahagolan-tany, indrindra raha misy ny latsa-drà na latsaka aina. Miteraka olana matetika izany satria ny firenena dia tany tan-dalàna ary tsy misy afa-tsy ny fitsaràna ihany no mandidy manapaka izay sazy ho an’ny olon-dratsy. Misy koa ny fomba fijery iray izay manazava fa ny tsy fahatokisana ny rafi-pitsaràna izay misy no mitarika ny fitsaram-bahoaka. Azo heverina ihany izany kanefa kosa toa tsy tena mitombina ny hoe tsy fantatry ny olona ny asan’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsaràna. Raha ny fantatra dia nisy ny fanadihadiana lalina nataon’ny manam-pahaizana vahiny mahakasika ny tena antony mampiroborobo ny fitsaram-bahoaka. Ny valin’izany dia mety azo hitadiavam-bahaolana amin’ny famerana ity karazan-tranga izay sarotra fehezina ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici