- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAndapa : Nasaina nohaniny manta ilay gana nangalariny

Andapa : Nasaina nohaniny manta ilay gana nangalariny

Tovolahy iray sahabo ho 22 taona eo no tra-tehaka ambodiomby nangalatra gana tany Andapa, afak’omaly nisandratr’andro tokony ho tamin’ny folo ora, ka niharan’ny hatezeram-bahoaka. Nihevitra ity mpangalatra ity fa tsy nisy olona tao amin’ilay trano mihidy, ka teo ampakana an’ilay vorona tao anaty fisoko izy no hitan’ny tovovavikely zanaky ny tompon-trano avy natsaka rano. Raikitra ny antso vonjy, nifanenjehana eraky ny tanàna ity mpangalatra. Tratra ka niharan’ny daroka sy vono. Tsy vitan’izay fa mbola nampinanin’ny olona azy manta hatramin’ny volony sy ny tsinainy ilay gana, ary tsy navelan’ny olona mihitsy raha tsy lany tanteraka iray manontolo ilay vorona. Raha ny tati-baovao voaray, efa matetika ity tovolahy ity no tra-tehaka amin’ny hala-botry, ary efa nigadra. Tsy mety fay anefa ity zatovolahy ity, fa mamerin-keloka hatrany, ka nofaizin’ny Fokonolona mafy izy tamin’ity indray mitoraka ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici