- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndapa : Raim-pianakaviana namono ny vadiny sy ny rafozam-baviny, matin’ny fitsaram-bahoaka

Andapa : Raim-pianakaviana namono ny vadiny sy ny rafozam-baviny, matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tany amin’ny Distrikan’ Andapa, Faritra Sava, ny alahady teo. Raha ny vaovao voaray, raim-pianakaviana iray antsoina hoe : Sefo avy any Anoviara, no nitetitetika antsy ny vadiny sy ny rafozam-baviny, tao Belambo Lokoho, Kaominina ambanivohitra Belaoko Lokoho. Rehefa avy nahavita ny habibiany ity lehilahy ity dia nitsoaka ka nifanenjehan’ny Fokonolona. Voasambotra izy ka niharan’ny daroka sy vono, ary notetehin’olona tamin’ny antsy ihany koa avy eo ka namoy ny ainy. Ireo vehivavy roa naratra mafy voatetika kosa, manaraka fitsaboana ao amin’ny CHRD2 Andapa ; izay mbola miady mafy amin’ny fahafatesana ireto mpianaka ireto, hatramin’ny ora nanoratanay ny lahatsoratra.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici